1 Efa tonga eto an-tsahako aho, ry havako ampakariko; Mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro aho; Efa homana ny toho-tanteliko mbamin'ny tanteliko aho, Ary efa misotro ny divaiko mbamin'ny rononoko; Homna hianareo, ry sakaizako, Misotroa, eny, mivokisa divay, ry malala.

2 Natory aho, nefa nahatsiaro ihany ny foko; Injay! ny feon'ny malalako, izay mandondona ka manao hoe: Vohay aho, ry havako ampakariko, Ry voromailalako, ilay ahy tsy misy kilema; Fa vonton'ando ny lohako, Ny voloko milantolanto dia kotsan'ny andon'ny alina.

3 Fa hoy izaho: Efa niala akanjo aho, Ka hataoko ahoana indray no fiakanjo ? Efa nioza tongotra aho, Ka hataoko ahoana no fandoto azy ?

4 Nampiditra ny tnany teo amin'ny loaka ilay malalako, Dia nangorakoraka azy ny foko.

5 Nitsangana hamoha varavarana ny malalako ihany aho, Ary nitete miora ny tnako, Eny, ny rantsan-tnako nitete ranon'ny miora Teo amin'ny famohana ny hidin-trano.

6 Namoha varavarana ny malalako aho, Kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin'ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.

7 Nahita ahy ny antily izay mandehandeha eny an-tanna, Dia nikapoka ka nandratra ahy; Ny mpiambina ny mnda nanala ny lamba fisaronako.

8 Mampianiana anareo aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Raha mba hitanareo re ny malalako, Dia ahoana no holazainareo aminy ? Lazao fa mararim-pitia aho.

9 Inona ny malalanao mihoatra noho malala sasany, Ry tsara tarehy amin'ny vehivavy ? Inona ny malalanao mihoatra noho malala sasany, No dia mampianiana anay toy izao hianao ?

10 Ny malalako dia sady fotsy mangatsakatsaka no mena, Notsongaina tamin'ny alinalina.

11 Ny lohany dia toy ny tena volamena tsara; Ny volony dia milantolanto sady mangilohilo toy ny goaika.

12 Ny masony dia tahaka ny voroma eo anilan'ny sakeli-drano, Mandro amin'ny ronono sady tahaka ny vato soa alatsaka an-tranontranony izy.

13 Ny takolany dia tahaka ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, Dia tahaka ny tany navosaina misy voninkazo manitra. Ny molony dia tahaka ny lilia Sady mitete ranon'ny miora.

14 Ny tnany dia tahaka ny anja-bolamena voaisy krysolita; Ny tenany dia tahaka ny ivory voarafitra tsara sady misarona safira;

15 Ny ranjony dia tahaka ny andry vatosanga Miorina amin'ny faladia tena volamena; Ny tarehiny dia tahaka an'i Libanona, Tsara toy ny sedera.

16 Mamy dia mamy ny vavany, eny, mahate-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, Ry zanakavavin'i Jerosalema!
